Mampivoatra ny mponina eny ifotony : nankalaza ny faha-30 taona nisiany teto Madagasikara ny Peace Corps

Nankalaza ny faha-30 taona nisiany teto Mada­gasikara ny Peace Corps, ny zoma lasa teo. Natao tetsy amin’ny trano fonenan’ny masoivoho amerikanina Am­baranjana ny lanonana. Nanomboka nisy teto Ma­dagasikara ny fikambanana, ny taona 1993. Milatsaka an-tsitrapo misehatra amin’ny lafiny fanabeazana sy ny fahasalamana ary ny fambolena manerana ny Nosy izy ireo. Tanjona ny hahafantarana ny filan’ny mponina eto amin’ny firenena sy hitondrana fiovana eo amin’izy ireo. Nahatratra 1 600 ireo mpilatsaka an-tsitrapo teo anivon’ny Peace Corps niasa teto an-toerana hatramin’izay. Ankehitriny, 43 izy ireo, izay miparitaka manerana ny faritra maro. Mandray andraikitra sy manampy ny vahoaka eny ifotony hanatsara ny ho avy sy ny fiaianan’ny vahoaka no tena anjara andraikitr’izy ireo. “Miasa mivantana eny anivon’ny fiarahamonina sy ny tantsaha, ny renim-pianakaviana, ny ankizy ary ireo rafitra ara-pahasalamana ireo mpilatsaka an-tsitrapo”, hoy ny talen’ny Peace Corps, Mariah Cissé. Nambarany fa ahafahan’izy ireo mametraka fiovana tsara sy misy fiantraikany eo amin’ny fiainan’ny mponina eny ifotony izany fiaraha-miasa izany.

Manamafy ny firahalahiana sy fifampizarana kolontsaina
Nohamafisiny hatrany fa mandray anjara amin’ny fifanakalozana ara-kolontsaina sy firahalahiana eo amin’ny firenena roa tonta ary hampanjakana ny fandriampahalemana ihany koa izany. “Eo am-pibanjinana ny hoavy, andao hanohy sy hampiroborobo ny lovan’ny Peace Corps ary hiara-hiasa hampandroso an’i Madagasikara ary hampanjaka ny fitoviana misy eo amin’ny rehetra”, hoy ny Ambasadaoro amerikana, Claire Pierangelo. Nilaza izy fa ny fiaraha-miasan’ny rehetra no ahavitana zavatra sy hanorenana hoavy mamiratra ho an’ny taranaka. Nisolotena ny fitondram-panjakana, nandritra izany, ny minisitry ny Asa sy ny fampananan’asa ary ny asam-panjakana, Razakaboana Hanitra Fi­tiavana.

Mino

Partager sur: