Mananjary: raim-pianakaviana hita faty nifato-tenda

Nezahin’ny mpitsabo navotana, lehilahy iray namoy ny ainy tao Mananjary, afakomaly. Nifatotra tamin’ny tady ny tendany.

Maty tsy tra-drano ny raim-pianakaviana iray 41 taona tao amin’ny fokontany Ambatolambo, kaominina Mananjary, afakomaly. Nihantona tamin’ny tady tao amin’ny trano fonenany izy ny marain’io alahady 19 mey io. Niezaka namonjy azy ireo nanatri-maso. Nisy aina rahateo izy tamin’ny fotoana nahatongavan’ny mpitsabo teo an-toerana, araka ny loharanom-baovao. Nifatotra mafy tamin’ny tendany anefa izy. Nana­no­sarotra ny fanavotan’ny fianakaviana azy. Nentina namonjy ny hopitaly tao an-toerana izy. Nanao izay ho afany tamin’ny fihazonana ny ainy ny mpitsabo saingy tapitra fotoana fohy taorian’ny fahatongavany ny toeram-pitsaboana izany.
Manjavozavo hatreto ny antony nahafaty io raim-pianakaviana manan-janaka mianadahy io. Ahina ho namono tena izy raha ny fahitan’ny ma­nodi­dina ny vatany izay nifatotra ta­min’ny tady. Niroso ta­min’ny fa­nadihadiana lalina ny mpitandro filaminana ao Ma­nanjary. Andra­sana ny tohin’ ny raharaha.

Tsiferana R.

Partager sur: