Anisan’ireo firenena hanana solontena hiatrika ny lalao Olympika, “JO 2024” tanterahina any Paris, France ny Malagasy. Nahazo ny tapakila hiatrehina izany ny taranja ping-pong, tamin’ny alalan-dRakotoarimanana Fabio.
Atleta malagasy voalohany tafita hiatrika ny lalao Olympika, “JO 2024”, hatao any Paris France, ny 26 jolay ho avy izao Rakotoarimanana Fabio, mpilalao ping-pong. Ny fandresena azony nandritra ny dingana fifanintsanana ho an’ny kaontinanta afrikanina, natao tany Kigali Rwanda, ny 16 ka hatramin’ny 18 mai lasa teo, no nahazoany ny tapakila handehanana any amin’ity fihaonana an-tampony amin’ny fanatanjahantena maneran-tany ity.
Ny sabotsy lasa teo, resiny teo amin’ny famaranana, tamin’ny seta 4 no ho 3 ilay tonizianina, i Essid Wassim. Tsiahivina fa izy ihany koa ny hany Malagasy mpilalao ping-pong voalohany tafita amin’izany dingana izany. Nisongadina hatrany i Fabio, tamin’ireo lalao rehetra nataony nanomboka tany amin’ny dingana fifanintsanana ka hatramin’ny famaranana. Fandresena hatrany no azony ary voalohany izy tao amin’ny vondrona nisy azy.
Tsiahivina fa mpilalao manana ny lazany sy ny fahaiza-manaony i Fabio. Izy izay efa nandrombaka ihany koa ny ho tompondakan’i Afrika, ny taona 2023. Marihina fa anisan’ ireo niady toerana tamin’ity ihany koa i Antoine Razafinarivo sy i Hanitra Raharimanana saingy tsy tafavoaka.
Mahatratra 6 mianadahy ireo solontena afrikanina, ho any Frantsa handray anjara amin’ny lalao Olympika, amin’ity ka telo avy any Nigeria raha 1 avy kosa ny an’i Algerie sy i Madagasikara ary i Cameroun. I Sarah Hanffou, avy any Cameroun sy i Fatimo Bello ary i Offiong Edem teratany nizerianina ny eo amin’ny andriambavilanitra. Rakotoarimanana Fabio, Malagasy sy i Mehdi Bouloussa avy any Algerie miampy ilay nizerianina, i Olajide Omotayo kosa no lehilahy.
Torcelin