Andron’ny psikolojia, fotoana hanentanan’ny mpianatra ao amin’ny departemanta psikolojia ny maha zava-dehibe ny fahasalaman’ny saina ary hitondrany lohahevitra efatra ho an’ny rehetra.
Manomana fifampizarana manodidina ny lohahevitra «Faharanitan-tsaina afaka mivelatra amin’ny sehatra maro» ny fikambanan’ny mpianatra ao amin’ny departemant de psychologie, eo anivon’ny Universite Catholoque de Madagascar (UCM), mitondra ny anarana Arche. Natokan’ny mpianatra manomboka ao amin’ny L1 hatramin’ny M2 eo anivon’ny sekoly ambony ampahafantarina ny departemanta misy azy sy fanentanana ny daholobe momba ny fahasalaman’ny saina sy ny filaminan’ny saina ny fotoana eny Ambatoroka, ny sabotsy tontolo andro. 120 izy ireo amin’izao fotoana izao no mandranto fianarana ao, araka ny fanazavan’ny filohan’ ny fikambanan’ny mpianatra, Ranivoson Tanteraka, omaly.
Lohahevitra efatra no hozaraina sy hovelabelarina ho an’ny mpanatrika. Fahaizana mamolavola fifandraisana salama eo amin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka, satria manomboka mbola zaza ny fanefena ny fototra maha olona. Lohahevitra faharoa, ny fidiran’ny psikilojia eny anivon’ny asa ka ny fahaizana mifehy ny fihetseham-po anatin’ny toeram-piasana tsy hanohintohina ny asa no hifotorany. Fahatelo, ny herisetra ara-tsaina mianjady amin’ny tanora, indrindra eo amin’ny fotoana hidirany amin’ny vanim-potoana adolatsento. Miova ny vatan’ny olona rehefa tonga izay ary miova manaraka izany koa ny any anaty rehetra. Tsy avy amin’ilay andolantseto loatra ny fanehoana fihetsika fa baikon’ilay fiovan’ny toe-batana sy ny any anaty rehetra, ka lasa mizaka zavatra tsy sitrapony ilay tanora.
Lohahevitra farany ny dona ara-tsaina miseho amin’ny zaza dieny mbola kely sy ny fomba fisehony aty aoriana.
Afaka misafidy ny lohahevitra mahaliana azy ny tsirairay mandritra ny tontolo andro. Miara-miasa amin’ny holafitry ny psychologue sy ny Autisme eto Madagasikara ary ny hopitaly mikarakara ny fahasalaman’ny saina ny Arche.
Vonjy