Narahin’ny jiolahy roa lahy nitam-basy, mpivarotra hamonjy fodiana lasibatra tao Toamasina, omaly. Lasa ny vola an-tapitrisany.
Lasan’ny jiolahy roa lahy nitam-piadiana ny vola nitetina 6 tapitrisa Ar teny amin’ny lehilahy iray mpivarotra, tao amin’ny Cité Ottino, Tanamakoa 12/12, Toamasina, omaly maraina tamin’ny 8 ora. Nivarotra lambo (kisoa) vao maraina io lehilahy avy any Soanierana Ivongo io. Mamatsy lambo ny tsena ao Toamasina izy ka naka ny vola tao amin’ny Bazary Be. Nofonosana tao anatin’ny harona plastika mainty ny vola. Narahin’ny bandy roa lahy anefa izy rehefa niala Tuc-Tuc. Nijanona teo akaiky ny moto nentin’ireo roa lahy. Namoaka basy avy hatrany ireo olon-dratsy. Nanambana io lehilahy mpivarotra lambo io. Nifampisintomany sy ireo mpandroba ilay harona plastika nisy ny vola. Noteren’ireto farany hanome ny vola io lehilahy io sady norahonany hotifirina raha toa ka tsy mamotsotra. Azon’ireo jiolahy ny vola rehefa norovitiny ilay harona plastika.
Nitsoaka tamin’ny moto
Nirifatra tamin’ny moto nentiny izy ireo taorian’izay. Nasain’izy ireo niverin-dalana moramora ilay voaroba. Nambanany fitaovam-piadiana hatrany io lehilahy io tsy hiantso vonjy na hamoaka feo ho ren’ny manodidina. Minitra vitsy taorian’ny tranga, nitangorona ireo mponina manodidina rehefa nahalala ny zava-nitranga. Niroso amin’ny fanatonana mpitandro filaminana ilay voaroba. Marihina, mpanangona lambo ao Soanierana-Ivongo io lasibatra io ary mivelona amin’ny famarotana izany.
Tsiferana R.