Goavana iny… Hipetraka ho mari-drefy tsy azo kosehina amin’ny tantaran’ny mozika malagasy ny andiany voalohany amin’ilay « Festival Tsika Jiaby », tontosa tany Paris, Frantsa, ny faran’ny herinandro teo.
Fampisehoana telo andro tsy an-kiato. Tarika malagasy 30 mahery, izany hoe, tsy latsaky ny 10 isan’andro. Mpijery an-jantony isan’andro, izay teratany malagasy ny ankamaroany. Fampirantiana ny kolontsaina, haify sy hainahandro malagasy, sns. Nikatona ny alin’ny alatsinainy lasa teo ny « Festival Tsika Jiaby » andiany voalohany, tao amin’ny Domaine de Courson, any Paris, Frantsa. Raha ireo antontan’isa ireo no jerena, iny no hetsika goavana indrindra ho an’ny mozika malagasy, notontosaina tany ivelany. Mety ho iny koa aza no lehibe indrindra teo amin’ny tantaran’ny mozika malagasy…
Tsy iny no farany anefa! “Ialana tsiny amin’ireo zavatra maro tsy tomombana. Mampanantena izahay fa hohatsaraina kokoa izany”, hoy ny ampahany tamin’ny teny famaranana nataon-dry zareo mpikarakara avy ao amin’ny Mam’s Event. Midika izany fa hisy ny andiany faharoa, ary mety amin’ny taona ho avy izany.
“Misaotra tamin’ny fahasahiana, ary indrindra ny fitiavana lehibe tamin’ny fampivondronana ny teratany Malagasy, eny fa na ireo vahiny koa aza, tamin’ny alalan’ny kolontsaina maroloko, indrindra ny mozika”, hoy Rajery, tao amin’ny pejiny Facebook. Anisan’ireo mpanakanto malagasy ankavitsiana, mahay tsara ny tsenan’ny mozika iraisam-pirenena izy, sy mahalala ihany koa ny toeran’ny mozika Malagasy.
Tsy mora ny manatontosa hetsika goavambe ho an’ny mozika Malagasy toa iny. Nofinofy no tanteraka ary fanamby goavana no tontosan’ireo mpikarakara. Tsy tonga amin’ny lafatra saingy mendrika ankasitrahana ny ezaka sy ny finiavana. Na eto Madagasikara aza, mbola sarotra ny hampiaka-tsehatra tarika manan-daza maherin’ny 30, anatin’ny 3 andro, toa ireny.
Ity ilay fanontaniana napetraky ny maro: “Nahoana tokoa no tsy nisy toy iny taty Madagasikara?”. Tsy lavitra ao ka azo hatao fanontaniana ihany ny valiny. “Vonona hanjifa ny tena mozika malagasy amina endrika Festival toy ireny ve ny mpankafy eto Madagasikara?”
Zo ny Aina