Noraisina tamin’ny fomba ofisialy, omaly, teny Nanisana ireo mpianatra ho mpianala miisa 30 mianadahy. Hanaraka fiofanana mandritra ny 18 volana izy ireo eny amin’ny Ivontoerana fanofanana teknisian’ny ala CNPTF Angavokely. Efa misy andiany 30 hafa manaraka fiofanana, ka mahatratra 60, araka izany, ny andiany fahatelo ho an’ny taom-piofanana 2024-2025.
Nilaza ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), Fontaine Max Andonirina, omaly, fa tsy maintsy hamafisina ny fiarovana ny ala sy ny harena voajanahary eto amintsika.
Niverina nisokatra ny Ivontoerana CNPTF Angavokely ny taona 2017. Andiany roa no efa nahavita fiofanana tao. Maherin’ny 300, ankehitriny ny mpianala manerana an’i Madagasikara, izay efa am-perinasa daholo.
Manohana ny Medd sy ny CNPTF amin’ny fampandehanana ny fiofanana sy ny fanatsarana ny Vondrona Eoropeanina (UE), amin’ny alalan’ny Fandaharanasa Rindra.
Njaka A.