Resabe tamin’ny tambajotran-tserasera sy eny anivon’ny fiarahamonina ny firongatry ny olona maty tanora. Betsaka ireo folaka an-dantony, antsoin’ny “Ray” manomboka eo amin’ny fahatelopolo taona. Tena mahonena sy mampametra-panontaniana. Nahoana no sompatra loatra ilay fiainana, mamela kamboty sy mananontena tsy ” lera” ? Ny tena loza, zary maro ny ray aman-dreny mandevin-janaka .
Tsy kisendrasendra ny mahatonga izany… Maro ny antony azo tsapain-tanana sy voaporofo ara-tsiansa. Voalohany, mandrora mintsilany loatra isika olombelona amin’ny famotehana ny tontolo iainana sy fampitondrana faisana ny zavaboahary, mpiara-monina amintsika. Zary tsy misy intsony ny firindran’ny natiora. Mikorontana ny tontolo manodidina ka manaraka izay koa ny fiainan-dRaolombelona.
Marary ny nofo, misambadidaka ny saina, ary marisarisa ny fiainam-panahy maha olona.
Manginy fotsiny ny fahasimban’ny toetr’andro. Miovaova ka mampirongatra ny karazana aretina. Efa tsy voahaja ny vanim-potoana fizarazan-taona ka mifangaro varoka ny ririnina sy lohataona, na ny hatsiaka mamirifiry sy ny ora-mikija. Samy mizaka ny vokany daholo.
Manoloana izany, samy milaza azy ho tompony sy tampom-pahaizana ny zanak’olombelona. Mihazakazaka mitady vahaolana araka ny saina sy fahaizana hanany. Tsy mahagaga raha mivarilavo amin’ny vahaolana vonjitavanandro sy peta-toko isika. Tsy mahari-pery na miandry tantana. Dia io iaraha-mahita io ny vokany. Jereo fa na ny sakafo hohaniana, ny rano hosotroina aza efa zara raha manjary. Sodokan’ny mora handrahoina miharo tsiro tsy voajanahary, andaniny. Voatery misotro rano maloto, ankilany. Tsy mahagaga raha samy mahita faisana isika mianakavy.
Inona no vahaolana? Fandinihan-tena sy fandraisana ny andraikitra mifanandrify amin’ny tsirairay. Tsy ampy ny fitsetserana sy ny teny fampiononana fa isika miaraka misoroka izay azo sorohina no zava-dehibe.
r.r