Horonantsary fanadihadiana : hisy ny dinika momba ny « Filets de Lettres »

Tanterahina anio tolakandro, eny amin’ny Cercle Ger­mano-Malagasy (CGM Ana­lakely) ny hetsiky ny tetikasa « Decouverte Cinéma », ivahinianan’i Anjara Randriamaha­faly, Malagasy mpanatontosa. Fandefasana sarimihetsika « Filet de Letrres », notontsain’i Anjara, tohizana amin’ny tafa sy dinika, iarahana amin’ity mpanatontosa ity no handravaka ny fandaharam-potoan’izany hetsika izany. Ankoatra ny fampiroboroboana sy famerenan-kasina ny sinema malagasy, tanjon’ny hetsika ny hampahafantatra sy hanome tan-tsoroka ny mpisehatra eo anivon’ny sarimihetsika, indrindra ireo vao misandratra.
Tanora Malagasy, mpanatontosa horonantsary i Anjara Randriamahafaly. Efa hatramin’ny ela izy no nilomano, tao anatin’ny tontolon’ny horonantsary, indrindra ny fanatontosana. Niaraka sy nanampy ny zokiny no nanombohany. Noho ny finiavana sy ireo fampiofanana sy atrikasa maro dia nahavita namoaka ny horonantsary fanadihadianany voalohany izy ary nanomboka teo no tafiditra tsikelikely tao anatin’ny tontolon’ny fanatontosana horonantsary.
« Filet de Lettres » io no lohatenin’izany horonantsary fanadihadiana izany. Izy ity izay nalaza sy anisan’ny nandray anjara tamin’ny hetsika “Madagascourt Film Festival”, ny taona 2015. Mandritra ity hetsika atao anio ity no hijeren’ny rehetra ny horonantsariny. Aorian’izay no hisian’ny tafa sy dinika ary adihevitra mahakasika ny « filet de lettres », iarahana amin’ny matihanina eo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika sy ireo manatrika.

Lin

Partager sur: