Hitombo ny famokarana siramamy eto amintsika amin’ny alalan’ny indostria Sucrerie de Mahatalaky . Andalam-pamaranana ny fanamboarana ireo fotodrafitrasa samihafa ny fitondram-panajakana.
Vita hatramin’ny 80% ny fanitarana ny fotodrafitrasa ao amin’ny « sucrerie de Mahatalaky, miala 43 km an’i Taolagnaro. Indostria hanodina ny fary ho lasa siramamy, natsangana nanomboka ny taona 2021. Andalam-panatsarana ny fenitra ara-pahasalamana sy ny toeram-pitsaboana, ny fefy ary ny siniben-drano mahazaka 5m3. Nijery ny fandrosoan’ny asa, ny herinandro teo, ny talem-paritry ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (DRIC) sy ny mpiara-miasa aminy. Hita fa miodina ara-dalàna ny milina sady mandeha tsara ireo milina miaraka aminy.
Anisan’ireo taninketsa indostrialy apetraky ny fitondram-panjakana mba hampirobobo ny famokarana siramamy eto an-toerana ny indostria ao Mahatalaky. Hanodina fary hatramin’ny 30 taonina isan’andro ny ozinina izay tantanan’ny orinasa Maromahay ary hiodina mandritra ny 150 andro isan-taona ny milina. Ankehitriny, kaoperativa roa ahitana mpikambana 117 no efa misehatra amin’ny famokarana fary amina velaran-tany 30 ha raha amina velaran-tany 30 ha hafa kosa ny fambolena ataon’ny orinasa. Tanjona ny hahazoana fanamarinana « certification bio » amin’ireo voly 15 ha.
Siramamy 4,2 t/andro
Hanomboka ny volana jona izao ny fiotazam-bokatra, ka miankina amin’ny fahavitan’ny fanitarana ny orinasa no hanombohana ny famokarana. Tsiahivina fa hanodina fary hatramin’ny 60 t isan’andro ny Sucrerie de Mahatalaky mba hamokarana siramamy mena 4,2 taonina. Tanjona ny hampitombo ny vokatra eto an-toerana sy hamaliana ny filan’ny mpanjifa. Marihina fa ambany ny famokarana fary eto amintsika, noho izany, mahatratra hatrany amin’ny 74 222,39 taonina ny siramamy nafaran’i Madagasikara nandritra ny taona ny 2022-2023 ary 4008,06 taonina monja ny vokatra naondrana.
Henintsoa Hani