Judo – Mondial 2024 : hiakatra an-tsehatra, anio, i Laura

Tanterahina any Abu Dhabi, ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany “Mon­dial” amin’ny taranja Judo, lahy sy vavy, sokajy “seniors”. Ilay vehivavy malagasy judokate, Rasoanaivo Laura, no solontenan’i Madagasikara amin’ity fifanintsanana ity. Hiakatra “tatami” anio, araka izany, ny tenany.

Hifanandrina amin’ilay ve­hivavy danoa, Olsen Laerke, i Laura, araka ny fikarohana natao omaly. Izay tafavoaka amin’izy roa, hihaona amin’i Goshen Maya, mpilalaon’i Israel. Tsara ny mampahafantatra fa ao amin’ny vondrona “D”, no misy an’i Rasoanaivo Laura amin’ity fifaninanana iraisam-pirenena ity.
Tsara marihina fa ilay tale teknika nasionalin’ny Federa­siona malagasin’ny taranja Judo (FMJ), Mamy Randria­masinoro, no mpanazatran’i Laura any an-toerana. Araka ny fanazavana voaray teo anivon’ny FMJ, natao hakana isa hafahana miatrika ny “lalao Olympika Paris 2024” ity mondial ity.

Taorian’ny medaly alimo, azon’i Laura, nandritra fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika izay natao tany le Caire Egyp­te, ny volana avrily lasa teo, manana isa 1417 ity vehivavy malagasy ity. Manana herijika tsara izy amin’ny ady tapakila ho an’ny “lalao Olym­pika 2024”.

Fitia Randria

Partager sur: