Tanterahina ao amin’ny AFT Andavamamba, ny sabotsy 25 mey izao ny « Olympiades culturelles ». Fotoana hanomezan-danja ny kolontsaina fanao an-tanàn-dehibe toy ny dihy Hip Hop, Rap, slam, graffiti, betmaking, parkour, sns, eto Madagasikara. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana manomboka amin’ny 10 ora maraina ny velakevitra miaraka amin’i Grodash na ilay teratany frantsay mpiangaly ny Rap. Lohahevitra amin’izany ny : « tontolon’ny zavakanto malagasy sy ireo fivoarana eo amin’ny fiteny frantsay ». Amin’ny 1 ora tolakandro kosa no hamaranana ny fifaninanana « Slam national scolaire » andiany faharoa.
Ao anatin’ny tontolo andro, mitohy tsy tapaka ny atrikasa sy ny fampirantiana. Hanomboka amin’ny 10 ora ka hatramin’ ny 11 ora sy sasany, atrikasa momba ny dihy sy ny « beatmaking ». Azon’ny rehetra atrehina ihany koa ny slam, graffito ary ny parkour. Hanomboka amin’ny 2 ora tolakandro kosa ny atrikasa tapany faharoa sady fifanakalozana amin’ireo mpanakanto mpanao fanatanjahantena malagasy. Hanomboka amin’ny 5 ora sy sasany ny fampisehoana miaraka amin’i Grodash.
HaRy Razafindrakoto