Hampahafantarina ireo mozea rehetra manerana an’i Madagasikara. Nomarihina ny sabotsy 18 mey lasa teo ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Mozea. Mifandimby mandeha amin’ny TVM sy ny pejin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina izany, hatramin’ny 24 mey izao. Anisany, ohatra, ny mozean’ny saripika eny Andohalo, ny mozean’ny Zandarimaria any Moramanga, sns.
Manomboka taitra amin’ny torimasony! Nanana ny zavakanto sy ny kolontsaina mampiavaka azy ny faritra rehetra manerana an’i Madagasikara. Izay ilay lazaina hoe: “harena ny fahasamihafana”. Anisan’izany ny eto Imerina. Kalo, vakisaova, hiragasy, sns. Maro amin’ireny no fohazin’ireo mahay azy ankehitriny. Re tsikelikely ny fisian’ny seho mamoha ny kolontsain’Imerina.
« In the Name of Love », rarikira faharoan’ny Hell’s Rush. Nentina nanamarihana ny fetin’ny pantekoty teny amin’ny Teinturerie Ampasanimalo, ny alahady teo. Fotoana nihaonan’ny mpanakanto tamin’ny mpankafy ary nanolorana. Natolotra ho an’ny mpankafy nandritra izany ny hira “Fihetseham-po”, “Aza miherika”, “Tsindrimandry”…
Ho hita amin’ity anio ity, eny amin’ny IFM Analakely, ny fampisehoana ny horonantsary fanadihadiana « Les derniers des Mikea », hetsika izay tafiditra ao anatin’ny « Focus sur les peuples Mikea ». Ao anatin’izany horonantsary fanadihadiana izany no hanehoana ny tantara sy ny fomba ary ny kolontsain’ny foko Mikea.