Tsipy kanetibe : mpilalao 40 hiady toerana ho an’ny «Masters 2024»

Miverina tsikelikely ao anatin’ny fifaninanana iraisam-pirenena ny tsipy kanetibe malagasy. Taorian’ny taratasy nalefan’ny federasiona iraisam-pirenena nanaisotra ny sazin’i Madagasikara, efa manomana ireo mpilalao ny federasiona (FSBM).

Vaovao mahafaly ny nandraisan’ny rehetra ny taratasy avy any amin’ny federasiona iraisam-pirenena, ny sabotsy lasa teo, fa voafafa tanteraka ny sazin’ny tsipy kanetibe malagasy ary afaka miverina mifaninana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena indray. Anisan’ny goavana amin’ireny ny fahazoana sahady ny fanasana hiatrehana ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, hatao any Dijon France ny 5 ka hatramin’ny 8 desambra, ho avy izao.

Mialoha izany anefa hiatrika ny “Masters 2024” ihany koa i Madagasikara. Fihao­nana, hatao amin’ireo tanàna efatra any Frantsa manomboka ny 26 jona ka hatramin’ny 9 septambra 2024. Ho fanomanana izany, mpilalao 40 mirahalahy, hiady toerana 4 handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy.

Araka ny tapaka teo anivon’ny ekipa teknika, hatao any Antsirabe manomboka anio alarobia ka hatramin’ny sabotsy 25 mey ny fifantenana. Ireo mpilalao manana ny vokatra tsara teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena no hangalana izany ka ao ireo nahazo ny medaly volamena nandritra ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, mahatratra 11. Eo koa ireo nandrombaka ny medaly volafotsy, miisa 5. Ankoatra izay, misy 6 ny nandrombaka ny ho tompondakan’i Afrika. Ny ekipa tompondaka sy tompon’ny amboaran’i Madagasikara. 10 ireo mpilalao ao anatin’ny tanjany sy ny heriny amin’izao fotoana izao ary 4 notsongaina manokana.

Tsy voaresaka ao anatin’ ity lisitra ity ireo mpilalao mila ravinahitra nahazo anaram-boninahitra ihany koa toa an’i Racle, tompondaka maneran-tany 1999. I Jim Kely sy La­hatra, efa nahazo ny “Mas­ters 2014”. Izy ireo izay samy mipetraka any Frantsa avokoa.

Tompondaka

Partager sur: