VAOVAO TAMBATRA

Mitentina 25 008,8 miliara Ar ny famatsiam-bola ilain’i Madagasikara, araka ny paikady momba ny fitantanana ny trosa ho an’ny taona 2024-2026. Mitentina 6 065 miliara Ar kosa izany ho an’ny taona 2024 ary 9 319,4 miliara Ar sy 9 633,4 miliara Ar avy ho an’ny taona 2025 sy 2026.
Mahatratra hatrany amin’ny 80% no mpanao ny jono nentim-paharazana eto Madagasikara sy kaomoro raha 22% kosa ireo sambo miantsehatra ao anatin’izany. Ilaina ny fampidirana an’ireo mpanjono rehetra eo amin’ny sehatry ny ara-dalàna mba handrindrana sy hitantanana ny harena an-dranomasina.
Isaky ny 22 mey ny Andro maneran-tany ho an’ny karazan-javamananaina. Ho an’i Madagasikara, amin’ny 31 mey izao no hankalazana izany any amin’ny Saha Maintsoanala Mandraka. Lohahevitra ny hoe : « Miasa miaraka ho an’ny karazan-javamananaina ». Maro ny hetsika hatao, iarahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka samihafa.
Hatsaraina ny Tambajotra herinaratra iraisan’ i Toamasina (RIT). Manohana ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo (MEH) hanatanterahana izany ny Fiaraha-miasa japoney (Jica). Mifanindry an-dalana amin’ny fanitarana ny seranan’i Toamasina, tohanan’ny Jica ity tetikasa ity.

Partager sur: