Ankalazaina isaky ny 20 mey ny Andro maneran-tany ho an’ny tantely, mifantoka amin’ny hoe « harena sy namana ny tantely ». Lohahevitra noraisina tamin’ity taona 2024 ity ny hoe, « Ivon’ny fameloman’aina ny toekarena ny tantely, sady manavotra ny tontolo mananaina ». Nikarakara atrikasa, omaly, ny Tranoben’ny mpisehatra amin’ny tantely eto Madagasikara (MAM), ny minisitera (Minae) ary ny FAO. Nanatrika ny fotoana ireo orinasa lehibe sy salantsalany mpisehatra tantely (Symabio, Ecofruit, Jacarandas,…).
Nilaza ny filohan’ny MAM, Andriamahandry Eric, fa manan-danja eo amin’ny fahaveloman’ny zavamaniry ny tantely. Izy no miantoka ny 80%-n’ny famindrana ny vovobony, izany hoe, mitondra ny lahimbony mankany amin’ny vavimbony, mampiteraka ny zavamaniry.
Tsindry
Maro ny tsindry mahazo ny tantely. Mihena ny vokatra sy ny kalitao, satria potika ny fonenany voajanahary, noho ny fandripahan’ny olombelona ny ala. Miantraika amin’ny tantely ny fampiasana fanafody simika mamono bibikely amin’ny voly. Manodidina ny 50 t/ taona sisa ny vokatra tantely eto Madagasikara, raha nahatratra 38 000 t tamin’ny 1920-1940.
Vahaolana ny fiarovana ny tontolo fonenan’ny tantely, ny fampihenana ny fampiasana fanafody biolojika, ary ny fanohanan’ny fanjakana ny seha-pihariana.
Njaka A.