fampandrosoana ny Toekarena: lesoka ny fanaovana gaboraraka ny fanjonoana nentim-paharazana

Antoka ho an’ny fampandrosoana ny toekarena ny fandrindrana maharitra ny fanjonoana sy ny famantarana ny antontanisan’ireo manao ny fanjonoana nentim-paharazana eto Madagasikara.

Misehatra amin’ny fanjonoana nentim-paharazana avokoa ny 80% ny mpanjono eto amintsika. Mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny sehatry ny toekarena ity seha-pihariana ity noho izy miantoka ny fidiram-bolan’ny isan-tokantrano sy ny sakafo ho an’ny ankohonana. Le­soka ny fanaovana asa gaboraraka ny fanjonoana nentim-paharazana noho ireo mpanjono mbola tsy misoratra anarana eny anivon’ny fanjakana. Vokany, tsy fantatra mazava ny antontanisan’ireo mpanjono sy ny toerana iasany ary ny vokatra azony. Mila apetraka, araka izany, ny lalàn’ny fitrandrahana sy ny fisoratana anarana eny anivon’ny fitondram-panjakana. Ankehitriny, mbola ny 22% ny mpanjono an-dranomasina ihany no misoratra anarana eny anivon’ny fanjakana, antony nahatonga ny atrikasa ho an’ny fankatoavana ny lalàna ho an’ny mpanjono nentim-paharazana natao teny Andrianarivo nanomboka ny talata teo. « Anisan’ireo hojerena manokana ny fampidirana ireo mpanjono eo amin’ny sehatry ny ara-dalàna. Ho fantatra amin’ny alalan’izay ny mombamomba ireo mpanjono sy ny vokatra ataony », hoy ny fanazavan’ny tomponandraikitra avy amin’ny Ecofish Mau­rice, Maminiaina Marc.

Fatiantoka

Betsaka ny fatiantoka amin’ny fitantanana ny harena an-dranomasina raha toa ka tsy voasoratra ara-dalàna ireo mpanjono. Mila apetraka, araka izany, ny lamina ho an’ny fandrindrana maharitra ny jono eto Madagasikara. Nahafahana nizara traikefa avy amin’ireo firenena manodidina sy ireo aty atsimo andre­fan’ny ranomasimbe indianina ihany koa ny atrikasa. Tsiahivina fa mamelona tokantrano an’arivony maro ny jono eto Madagasikara. Mano­me asa ho an’ny tanora sady kitro ifaharan’ny toekarena malagasy

Henintsoa Hani

Partager sur: