Fiarovana ny tontolo iainana : handramana ny fiara elektrika

Nahazo fanampiana ara-bola, mitentina 1 142 661 do­lara, avy amin’ny Tahirim­bola iraisam-pirenena momba ny tontolo iainana (FEM) i Mada­gasikara. Hampiasana azy ny tetikasa « Tohana entina hi­ampitan’i Madagasikara any amin’ny fitaterana elektrika ». Maharitra 4 taona ity tetikasa tohanan’ny FEM ara-bola ity. Hatao eto Antanana­rivo sy Toamasina ny tetikasa andrana. Ao anatin’izany ny fametrahana fomba ara-barotra ho an’ny sehatra tsy miankina hanafarana sy hampiasana ny fiara na moto mandeha amin’ny herinaratra eto Ma­dagasi­kara, satria tsy mandoto ny rivotra sy ny habakabaka entina hiarovana ny tontolo iainana. Eo koa ny fikarohana rafitra ara-bola ahafahana manitatra izany manerana ny Nosy. Hisy ny fanentanana sy ny fampahalalana ny besinimaro mikasika ny fiara elektrika.
Fiovan’ny toetr’andro

Mitarika ny fanatantera­hana ny tetikasa ny minisi­te­ran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), sy ny minisitera vokasika, toy ny ao amin’ny Fi­taterana (MTM), ny Angovo (MEH), ny Toekarena (MEF). Miara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika ny Sam­pan­­draharahan’ny firenena Mikambana momba ny tontolo iainana (PNUE).
Mifanaraka amin’ny « Fifa­narahana lasitra ny ONU mi­kasika ny fiovan’ny toetr’andro » sy ny « Fifanarahan’i Paris momba ny toetr’andro » ity tetikasa ity.

Njaka A.

Partager sur: