Fikambanan-jiolahy « Wrong Turn » : lavon’ny balan’ny zandary Ramaitre sy ny namany

Taorian’ny nahasamboran’ny zandary ao amin’ny tobim-paritra Ambohimalaza an’i Lavakely (jiolahy raindahiny amin’ny fanafihana sy vaky trano) tao Dakara fokontany Ikianja Ambohimangakely, ny 15 mey 2024 lasa teo, norai­sin’ny zandary ao amin’ny zana-tobim-paritra Soama­nandrariny sy ny tobim-paritra Ambohimangakely indray ny fanohizana ny fanadihadiana. Fantatra tao anatin’izany fa isan’ny nanafika olona miasa amina tambajotram-pifandraisana iray izy. Vola 12 tapitrisa Ar niaraka tamina finday 30 isa, JBL mitentina 3 tapitrisa Ar, firavaka volamena ary fahitalavitra no lasany tamin’izany. Nomarihin’ny zandary fa mivondrona ao anatin’ny bande de 6 ka «Wrong Turn» ny anaran’ity fikambanan-jiolahy misy azy ity. Kaisara (gadra nahavita sazy teny Tsiafahy), Six (gadra nivoaka ny fonjan’Antanimora), Kri na Rasta, Vazaha na Ramaitre, Rija Mainty ireo jiolahy ao anatin’ny Wrong Turn. Voa­sambotry ny zandary Ra­maitre (naman’i Lama nalaza tamin’ny fakana an-keriny) sy ny namany, ny 18 mey 2024 alina. Efa nikasa hitsoaka ny violon nitazonana azy izy telo lahy tratra ireto saingy tsy nahomby anefa izany. Nilaza tamin’ny zandary anefa Ra­maitre sy ireo namany fa hanoro ny toerana misy ireo namany mbola tsy voasambotra. Teny an-dalana nandalo ny alan’i Manankasina Ambo­hibary no nisy nitifitra tampoka ireo zandary. Nanararaotra nitsoaka koa izy telo lahy ka maty voatifitry ny zandary. Mitohy ny fikarohana ireo namany.

J.C

Partager sur: