Ratsy ny vokatra ho an-dRasoanaivo Aina Laura, teo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja judo sokajy «senior», vehivavy. Vao teo amin’ny dingana savaranonando dia efa resy ity hany solontena malagasy ity.
Tsy lasa lavitra fa vao teo amin’ny lalao savaranonando dia efa nangoron-damba Rasoanaivo Aina Laura, nandritra ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja judo. Fihaonana notanterahina omaly alarobia, tany Abu Dhabi, Emirat Arabe Unis. Nosakanan’ilay Danoazy, i Olsen Laerke, ny lalany tao amin’ny vondrona “D”, ho an’ny sokajin-danja latsaky ny 70 kg lalaon’olon-tokana.
Tamin’ny alalan’ny “Ippon”, teo amin’ny 2 mn 25 s nanombohan’ny adin’izy mirahavavy ny nahalavo an’i Laura. Tapitra hatreo, araka izany, ny dian’ity tompondakan’i Madagasikara ity, amin’ny hiatrehana ny lalao Olympika (JO 2024), hatao any Frantsa ny 26 jolay ho avy izao.
Marihina fa fifaninanana hakana isa hiadian-toerana amin’izany ity natrehiny ity.
Tsiahivina fa 25 taona i Olsen ary efa mpikatroka ampy fifaninanana ity mpifanandrina aminy ity. Ny 10 mey lasa teo, nahazo ny laharana fahafito nandritra ny “Grand Slam”, natao tany Qazakstan izy. Efa nahazo ny medaly volafotsy, tamin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, sokajy “junior” ihany koa ny tenany ny taona 2018.
Tamin’ity, resy teo amin’ny manasa-dalana i Olsen. Lavon’ ilay Frantsay, i Gahie Marie Eve ny tenany. Ity Frantsay ity no nivoaka ho mpandresy ho an’ity vondrona “D” nisy an’i Laura ity, rehefa nandresy ilay Italianina, i Polling Kim teo amin’ny famaranana.
Tafavoaka tao amin’ny vondrona “A” kosa ilay teratany grika, i Teltsidou Elisavet. Tao amin’ny “B”, ilay Frantsay, i Pinot Margaux ary ny “C”, ilay Belza, i Willems Gabriella.
Adin’ny samy Frantsay ny famaranana nikatrohan’i Pinot sy i Gahie. Resin’i Pinot teo amin’ny manasa-dalana i Teltsidou Elisavet ary lavon’i Gahie kosa i Willems Gabriella.
Tompondaka