Karate – “Afrique de l’Est” : 52 mianadahy hiaro ny voninahi-pirenena

Hatao eto Madagasikara amin’ny 6 hatramin’ny 9 jona izao, ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika faritra Atsina­nana, ho an’ny taranja karate. Firenena 10 amin’ireo 14 mpikambana no handray anjara amin’izany. Fifaninanana na­tokana ho an’ny sokajy cadet, junior ary senior. Ho an’i Madagasikara, 52 be izao no hiaro ny voninahi-pirenena, ka ny 12 amin’ireo no hanao ny Kata raha hanao ny Kumité kosa ny 40. Nambaran’ny filohan’ny Federasion’ny Karate-do Madagasikara, Ratefina-nahary Emile, fa tsy hamotsotra ny medaly volamena ho an’ny vahiny ny Malagasy. Zava-dehibe ity fifaninanana ity, hoy hatrany ny filohan’ny FKM, satria misy ny isa azon’ny karatekas, izay hametraka ny filaharany aty Afrika. Tom­bony ho an’ny Malagasy rahateo ny fampiantranoana izany, nahafahana nandahatra karatekas maro. Maro ny vahiny hanatrika mandritra io fifaninanana io, toy ny filoha lefitry ny Federasiona iraisam-pirenena, ny filohan’ny UFAC sy ireo manam-pahaizana maro, izay hampiofana ny mpitsara sy ireo mpanazatra.

Randria

Partager sur: