“Kolontsaina Festival anaty Elakelatrano” : tanjona ny fanandratana ny fihavanana sy ny firaisankina

Hikolo ny sain’ny olona hifarimbona ho an’ny tombontsoan’ny daholobe, amin’ny alalan’ny zavakanto no antom-pisian’ny hetsika. Fifarimbonana ao anaty firaisankina sy fihavanana, izay anisan’ny nampiavaka ny Malagasy nefa takona ankehitriny.

Tanterahina ny 8 sy 9 jona 2024, eny amin’iny faritra Besarety iny, ny “Kolontsaina Festival anaty Elakelatrano”, andiany fahadimy. Hetsika ara-javakanto ma­roloko misokatra ho an’ny karazana zavakanto rehetra sy ny mpiangaly azy. Tanjon’ ny hetsika ny haneho ny maha zava-dehibe ny fihavanana sy firaisankina, amin’ny alalan’ny zavakanto. Araka ny nambaran’ny mpikarakara, ny fahatsapana fa tsy ny olona rehetra no afaka misitraka ireo karazana hetsika ara-kolontsaina sy zavakanto no antony na­naovana ny hetsika. Misokatra ho an’ny rehetra ary maimaimpona, araka izany, izy ity.
Hetsika ara-kolontsaina sy zavakanto atao anaty elakela-trano ny “Kolontsaina Festival anaty Elakelatrano”, araka ny anarany. Mandritra izany, tezaina sy beazina ny olona, indrindra ny eny an’elakela-trano, handala ny firaisankina sy ny fihavanana. Hifarimbona hanatanteraka zavatra iray ahatongavana amin’ny tanjona ho tombontsoan’ny fiarahamonina. Fandokoana sy fanatsarana ireny elakela-trano ireny, amin’ny alalan’ny sary no atao ao anatin’izany. “Tsy ny olona rehetra no afaka misitraka sy miatrika ireny hetsika ara-kolontsaina sy zavakanto ireny. Ny rehetra kosa anefa dia afaka mandalo an’elakela-trano isan’andro”, hoy i Sleeping Pop, tomponandraikitra amin’ny fikarakarana.
Teny 67 ha no nanombohana ny hetsika ary fahombiazana no hita tamin’izany. Nitohy teny Ampandrana sy Mahama­sina izany, ary tonga hatrany Toamasina. Amin’ity andiany fahadimy atao eny Besarety ity, fandokoana sy fanatsarana toerana iray ho an’ny daholobe amin’ny alalan’ny sary no hatao. Hisy ny sehatra misokatra ho an’ny rehetra aorian’izany.

Lin

Partager sur: