Ny hery tsy mahaleo ny fanahy

 

Anatin’ny fampielezan-kevitra ny mpanao politika. Mihazakazaka ny fambaboana vahoaka, indrindra ny mpifidy handatsa-bato. Raha ny ranty etsy sy eroa dia izay mivoaka babany avokoa. Raha ny olona mivorivory sy tonga maka “kadoa” dia hoe ho maro ny hanao poa-droa.  Eny e! Izay rahateo moa no kolontsaina napetraka ho maridrefin’ny fandresena.
Inona marina anefa no zava-misy eny an-kianja rehetra eny? Maromaro ihany ny tsy fanarahan-dalana. Misy ny tsindry isan-karazany. Ny tena manahirana ireto mpiasam-panjakana vao notendrena tsy maintsy manao takalom-patsa vidim-pihinanana. Manan-trosa ara-moraly amin’ny mpanendry. Tsy manam-pidiny satria iraka voalohany ho azy ireny ny hampandany ny kandidàn’ny fitondrana. Izay hiresahana na hanaovana fanadihadiana dia milaza mazava izay. Mena ambanin’ny mena.
Sarotra ny mifanome tsiny fa manana adidy hisintona lakolosy hatrany mba hampadio ny fifidianana. Antoky ny fitombenan’ny fanjakana ambony vatolampin’ny fangaraharahana sy fahamarinana izany. Manatsara ny toeran’ny fitondrana manoloana ilay fianakaviam-be Iraisam-pirenena izay ilampilampian-dRamalagasy.
Mitaky fanovana amin’ny fanaovana politika izany. Indrindra ho an’ny zatra ny lalan-dririnina tsy manara-dalàna, andaniny, na ireo mpisolelaka diso tafahoatra, ankilany. Sady mamotika ilay firenena ny fanaovana izany no mamotika ny mpitondra ihany koa. Ekena fa manana ny herijika sy ny hery rehetra ny nampindramim-pahefana ho amin’izany saingy tsy mahaleo ny fanahy maha olombelona izany. Samia mamisavisa !

r.r

Partager sur: