Orinasa Tozzigreen : hamokatra angovo ho an’ny EPP Ambohimarina

Tsy mijanona amin’ny famokarana angovo, misehatra amin’ny fanampiana ny mpiara-belona koa ny orinasa Tozzigreen. Vokasik’izany ny sehatry ny fanabeazana sy ny sosialim-bahoaka.

Hiroso amin’ny famokarana angovo eo ani­von’ny EPP Ambohi­marina, kaominina Ambohi­manga Rova, ny orinasa Tozzigreen. “Vonona hatrany hifanome tanana sy hifanampy amin’ny mponina izahay”, hoy ny nambaran’ny tompon’ny orinasa Tozzi, Andrea Tozii. Hisitrahan’io sekoly io herinaratra manokana, hanohana ny famokarana angovo amin’ny herin’ny masoandro izy ireo. Nandray anjara mi­vantana tamin’ny fanarenana tanteraka sy fanamboarana ny efitrano fianarana koa ity orinasa ity. Niorina tamin’ny fiatombohan’ny taona 2000 io sekoly ambaratonga fototra io. “Tsy nisy fanavaozana intsony taorian’izay. Nifanampy ny manodidina ary nitondra ny anjara birikiny koa ny orinasa Tozzigreen”, hoy ny namba­ran’ny filohan’ny Antenimie­ran­doholona sady mpiahy ny Vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana, ny Jly Ravalomanana Richard. Ma­rihina, nitsidika manokana io EPP ao Ambohimarina io
amin’izao fahatongavany eto Madagasikara izao ny tom­pon’ny orinasa Tozzigreen sy ny ekipany, afakomaly. No­tronin’ny filohan’ny Anteni­mieran­doholona sy ireo manam-pahefana ao amin’ny kaominina Ambohimanga Rova izany.

Tsiferana R.

Partager sur: