Anisan’ireo andrarezina ! Anarana tsy afa-misaraka amin’ny tantaran’ny rock malagasy ihany koa ny an’i Jimmy Poun Andrianiaina, na i Poum. Fantatra mantsy fa feno 40 taona amin’ity no niakarany an-tsehatra, ary tsy havela handalondalo foana izany. Mandritra ny taona ny fankalazana, ka hosokafana ny sabotsy 25 mey izao izany, manomboka amin’ny 6 ora hariva, ao amin’ny Suels Legacy Vontovorona. Nasain’i Poun hifanotrona aminy mandritra io ireo namany hatramin’izay, toa an-dry Jacquot Green, Nini Kiaka, Landry Keyan, ary Abasse Apost, ankoatra ireo tsy mbola nitonona ho avy.
Raha tsiahivina, mpamoron-kira, mpihira fa indrindra mpitendry gitara rock i Poun. Tarika maro no efa nisy sy mbola misy azy, raha tsy hilaza afa-tsy ny Tselatra sy ny Green, izay izy rahateo no anisan’ny mpitarika sy mpamorona ao. Niara-nilalao mozika tamina mpanakanto maro i Poun, ary anisan’ny fiarahana be mpankafy ny “Rock & Folk”, niarahany tamin’i Nini Kiaka sy Mahery Johary. Fantatra fa fanombohana ihany io amin’ny sabotsy io, fa mbola ho maro ny fandaharam-potoana mandritra ny fankalazana.
Zo ny Aina