Fantatra fa tsy ho anisan’ny handrafitra ny Les Bleus amin’ny lalao Olympika, hotanterahina ao Frantsa amin’ny taranja baolina kitra i Kylian Mbappe. Fihaonana hanomboka ny 26 jolay ho avy izao. Raha ny fantatra, hiaraka amin’ny ekipan’ny Real de Madrid, amin’ny fanomanana ny taom-pilalaovana 2025 ny tenany.
Efa fantatra avokoa ny anaran’ireo mpilalao anatin’ny ekipan’i Frantsa 1 sy 2 amin’ny «Masters 2024», taranja tsipy kanetibe. Ao amin’ny France 1 no misy an’i Rocher, Lacroix, Feltain ary i Doerr. Hiaraka ao amin’ny France 2 kosa i Sarrio, Bonetto, Robineau, Suchaud. Ao amin’ny “Wild card”, ahitana an’i Rizzi, Cocciolo, Quintais, Hureau.
Nanambara tao amin’ny tambajotra seraserany, ny faran’ny herinandro lasa teo, i Gianni Infantino, filohan’ny federasiona iraisam-pirenena ny baolina kitra (Fifa), fa hosazina ireo firenena nahazo famatsiana hanavaozana kianja nefa tsy mbola manaraka ny fenitra takina amin’izany. Hanomboka ny volana septambra ho avy izao izany sazy izany.
Anisan’ireo mpitsara hiatrika ny “Play-offs” amin’ny Basketball Africa League (BAL), hotanterahina any Kigali Rwanda, hanomboka ny 24 mey ka hatramin’ny 1 jona ho avy izao, i Yann Vezo Davidson. Tsiahivina fa efa nandray anjara tamin’ny “Conference du Sahara”, ny 2 ka hatramin’ny 12 mey lasa teo ity Malagasy mpitsara iraisam-pirenena ity.