Nosantarina tamin’ny zotra volomboasary niala teo Anosy nankeny amin’ny Petite Vitesse ny andrana teleferika, omaly. Efa tsindrindaona handeha amin’izany ny maro.
Natao omaly ny andrana voalohany amin’ny fitaterana an-tariby na teleferika niala teo Anosy na,keo amin’ny Petite Vitesse (zotra volomboasary), notanterahin’ny sekreteram-panjakana miadidy ny tanàna vaovao sy ny trano fonenana. Nilamina ny lafiny teknika ary tsy nisy nampanahy, hoy ireo teknisianina.
Tsy mbola nisy olona nandeha tamin’ity andrana voalohany natao ity fa ny kalesy 3 ihany no nalefa. Handalo andrana avokoa ireo zotra rehetra. Hatao matetika ny andrana mandra-pahalavorary ny pitsopitsony rehetra. Heverina hisokatra mialoha ny 26 jona ity zotra ity.
3 mn monja ny faharetan’ny zotra miala eo Anosy mankeo amin’ny Petite Vitesse rehefa tena am-perinasa. Olona 10 hatramin’ny 12 no ao anatin’ny kalesy iray.
Mbola ho avy ny andrana manaraka hisian’ny olona handeha ao anaty kalesy mihitsy. Andrana lavitry ny loza no hatao, hoy ny avy ao amin’ny SENVH.
Mitohy ny asa
Efa tomombana kosa ny kojakoja eo amin’ny gara Anosy toy ny groupe lehibe hamatsy ny herinaratra ho an’ny teleferika. Efa ao anaty fitobiana ihany koa ireo cabine miisa 27 hampitohy ny eo Anosy amin’i Soarano.
Nanazava ny tomponandraikitra fa mitohy ny asa amin’ireo gara eny Ankorondrano, Ivandry sy Coliseum ary Ambatobe. Efa porofo hita maso ireo andrimby mijoalajoala napetra hitondra ny tariby matanjaka hizaka ireo kalesy hifamezivezy.
Vahaolana ho an’ny fitaterana eto Antananarivo Renivohitra ny fampandehanana ity zotra an-tariby ity. Iaraha-mahalala ny fahateren’ny lalana ankehitriny izay miteraka fitohanana mandany fotoana. Saika ny lalana rehetra manerana an’Antananarivo dia ahitana fitohanana avokoa indrindra rehefa fotoana fidiran’ny mpianatra sy mpiasa na firavan’izy ireo.
Heverina hitondra ainga vao ho an’ny fitaterana, araka izany, ny fahavitan’ny teleferika.
Tatiana A