TSELATRA

Maty notifirin’ny jiolahy ny mpivady tao Antanetikely Ankazomiriotra, ny alahady alina lasa teo. Tao an-tranony no nanaperan’ny jiolahy azy mivady. Voalaza fa delege tomponandraikitra misahana kandidà iray hirotsaka ho depiote ilay raim-pianakaviana. Lasan’ireo mpanafika nandritra ny fanafihana ny vola 1 tapitrisa Ar niaraka tamin’ireo fitaovana sarobidy samihafa. Mitohy ny famotorana ataon’ny zandary.

Naratra voadonan’ny moto ny renim-pianakaviana iray teny Petite Vitesse, omaly. Variana nijery ny andrana tamin’ny cabine teleferika izy satria niandrandra ambony ka tsy hitany intsony ilay moto teo anoloany. Nianjera tamin’ny arabe ka ny lohany no tena voa mafy ary voatery nentina haingana namonjy toeram-pitsaboana.

Saika niharan’ny fitsaram-bahoaka ny mpanendaka iray tratran’ny olona teny 67 ha Avaratra, omaly. Vehivavy iray nilahatra taxi-be no nendahin’ilay jiolahy kanjo nifanome tanana ny olona nahita izany ka nanenjika. Samy nanala ny hatezerany tamin’ity jiolahy ity avokoa ny rehetra. Tafatsoaka ihany anefa izy na teo aza ny ratra mafy nahazo azy. Tafaverina tamin’ny tompony kosa ny poketrany.

Lasan’ny jiolahy ny poketra nisy vola 3 hetsy Ar an’ny renim-pianakaviana iray teny Ambohimanarina, omaly tolakandro. Handeha hody eny Ambohibao ity ramatoa ity kanjo resin-tory tampoka. Tsy tadidiny intsony ny zava-nanjo azy fa raha ny filazany, nisy lehilahy iray nipetraka teo akaikiny niditra teo Antanimena.

Naratra ny vehivavy iray nandeha taxi-be, omaly maraina, teny Antanimenakely. Teo am-pialana ny taxi-be izy no nianjera rehefa nandeha tampoka ny mpamily noho ny tahotra ireo mpitandro filaminana mandefa ireo fiara amin’ny lalana tokana hahafahan’ireo fiara manao laharan-droa miaraka. Ireo olona nahita azy nianjera no nitondra azy nanatona tobim-pitsaboana.

Partager sur: