VAOVAO TAMBATRA

Vao maika tafakatra 7 500 Ar ny kilaon’ny tongolobe, eny amin’ny tsenan’i Mahazo eto Antana­narivo. Tsy tena vaventy aza ny habeny, fa salantsalany. Nambaran’ny mpivarotra fa ny mpamongady mihi­tsy no mivarotra lafo, ary ailik’izy ireo any amin’ny mpanangom-bokatra indray izany. Nilaza ireto farany, fa midangana ny saran-dalana satria ratsy ny lalana.
Tafakatra hatrany amin’ny 11 460 dolara ny vidin’ny iray taonina amin’ny varahina ny alatsinainy teo. Tao anatin’ny telo volana, mahatratra 30% ny fiakarany, antony mahatonga izao ny fitomboan’ny filana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Noho izany, tsy maharaka ny lalàn’ny tolotra sy ny tinady ny vokatra.
Antoka ho an’ny fahatrarana ny mpizahantany 1 tapitrisa tonga eto Madagasikara ny famoronan’asa 70 000 eto amintsika. Hampirisihina ny fampiasam-bola ataon’ny sehatra tsy miankina eto an-toerana sy any ivelany. Miisa 3 ny « sites marines » sy velaran-tany 15 hanatanterahana ny tetikasa momba ny fizahantany eto amintsika.
Miisa 585 ny tantsaha mpamboly katsaka tohanan’ny fandaharanasa Fihariana any Melaky. Ao anatin’izany ny fampitaovana, toy ny fiara milina mijinja sady mamoly katsaka (moissonneuse-batteuse). Mi­andraiki­tra ny fanangonam-bokatra sy ny fanodinana ny vokatra ho akora fototra ny orinasa Sahanala, hamatsiana ny orinasa any avaratry ny Nosy.

Partager sur: