Carrefour des entrepreneurs de l’Océan Indien : mivelatra hatrany amin’ny fampandrosoana ny firenena

Manamafy ny fahavononany sy hifanome tanana amin’ny fampandrosoana ny sehatry ny toekarena ny fikambana Carrefour des entrepreneurs de l’Océan indien. Niforona ny taona 2000, nampiroborobo ny tontolon’ny fandraharahana sy ny fifanakalozana aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indiana izy ireo.

Hiara-hiasa. Nivory tetsy amin’ny Motel Anosy ny fikambanan’ireo mpandraharaha aty amin’ny ranomasimbe indianina (Carrefour des entrepreneurs de l’Océan indien), ny alarobia teo. Fotoana iray niresahana ny zava-bitan’ireo mpikambana 1 100 amin’ny fampandrosana ny toekarena aty amin’ny faritra nandritra izay 25 taona latsaka izay. Voaresaka manokana ny tombontsoa sy ny fanamby ary ny vina samihafa. « Tsy ampy ny fifanakalozana ara-barotra, indostrialy ary ny fiaraha-miasan’ireo nosy manodidina izay mazàna mitovy fiteny, kolontsaina ary tantara », hoy ny filohan’ny fikambanana, Xavier Desplan­ques. Nohamafisiny fa hafarana avokoa ny 97% ny vokatra miditra eto amin’ny ranomasimbe indianina raha 3% ireo vokatra aondrana. Atontan’isa izay mampiseho fa mbola ambany ny fifandanjan’ny varotra miditra sy mivoaka aty amin’ny faritra ka mitaky fiaraha-miasa sy goavana. Hana­mpy ny fifandraisan’ireo samy mpandraharaha ny Carrefour des En­trepreneurs. Paikady handrafetana izany ny fampiroboroboana ny fifanakalozana eo amin’ireo mpisehatra samihafa amin’ny alalan’ireo hetsika isan-karazany. Tan­jona ny hananganana tambazotrana mpandraharaha aty an-toerana.

Toekarena
Anisan’ireo nanatrika ity fihaonambe ity ny delegasionina avy amin’ny Club des Exportateurs de Bordeaux Aquitaine izay mpiaram-miombon’antoka akaiky sy mpiara-miasa hatry ny ela amin’ny fikambanana. Teo ihany koa ireo mpandraharaha solontena avy amin’ny faritra sy ireo avy amin’ny Nosy manodidina. Naneho ny fahavononany ho an’ny fampandrosoana ny toekarena aty amin’ny ranomasimbe indianina ny Carrefour des entrepreneurs amin’ny fampiroboroboana ny fiaraha-miasan’ireo mpandraharaha fa indrindra hanamafisana ny fifanakalozana ara-barotra eo amin’ireo firenena mpikambana.

Henintsoa Hani

Partager sur: