Ary raha homena sehatra lehibe ireo mozika tsy faheno matetika ? Iray amin’ireo tanjona amin’ny hetsika « Dago Madness Beatz » izany. Tosika ho an’ireo mpanakanto mahaleo tena ihany koa.
Tsy ireo fandre matetika ihany ny mozika. Tsy ireo fahita an-tsehatra matetika ihany koa no mpanakanto. Fa izy ireo kosa aloha no malaza sy mahazo vola amin’ny mozika hataony sy manana trano mpamokatra miandraikitra azy… Ary ireo mpanakanto hafa tsy miditra anatin’ilay “rafitra”? Misy ary maro ihany koa izy ireo, saingy tsy mitovy amin’iretsy voalohany ny sehatra ivelarana sy iparitahan’ny sanganasa.
Iray amin’ireo tahala manome sehatra ireo mpanakanto “mahaleo tena” ny Oz Rekordz. Antony iray hikarakarana ny hetsika “Dago Madness Beatz” izany. Haka endrika “Festival” izy ity, izay hotontosaina etsy amin’ny Kianjan’ny Kanto Mahamasina, ny 25 sy 26 mey izao. “Tsy ilay mozika faheno mahazatra no ao. Mpanakanto 31 no handray anjara mandritra ireo roa andro ireo. Hanehoana gadona maroloko izany, izay hozaraina roa ka ho an’ireo mpanao mozika an-tanàn-dehibe ny andro voalohany ary ho an’ny mozika metaly kosa ny faharoa”, hoy ny nambaran’ny tomponandraikitra ara-javakanton’ny hetsika, nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety, tetsy Ampandrana, omaly.
Ny pop soul amin’ny fiangalin-dry Tasha sy Aline Kaloina azy. Ny hip-hop nahafantarana an-dry Big Jim das sy ry M.ts’Ta, ny funk mifangaron’i Rolf , ny trandraka manokan-dry Dougl’ sy Mafonja, ny poezia milanton’i Ranto Niaina ka hatrany amin’ny jazz entin-dry Zara Rajaona sy Onja Luc no homena sehatra ny andro voalohany. Ireo karazana gadona anatin’ny mozika metaly kosa ny alahady, hoentin-dry Erica Du rock, Egraygore, The Hornstorne, Naday, sns.
“Tahala iray natao hizarana ny sanganasan’ireo mpanakanto mahaelo tena ny Oz Rekordz. Mitovy amin’ireo tahala fanjifana ny sanganasan’ny mpanakanto ana habaka ihany, saingy mbola maimaimpoana aloha hatreto. Tanjona any aoriana any ny hahafahana mampidi-bola ho an’ireo mpanakanto ireo”, hoy i Anja Ralaiarijaona, tomponandraikitry ny seraseran’ny Oz Rekordz.
Zo ny Aina