FIM andiany faha-18 : antoky ny fampandrosoana

Nanomboka omaly ka haharitra efatr’andro ny hetsika “Foire internationale de Madagascar” (FIM) andiany faha-18, atao eny amin’ny Forello Expo Tanjombato. Hetsika ara-toekarena ivondronan’ireo mpandraharaha samihafa avy eto an-toerana sy avy any ivelany eto amintsika. Ankoatra ny fampirantiana sy fampahafantarana ny vokatra malagasy dia betsaka ny tombontsoa azo amin’ny alalan’ity tsenabe iraisam-pirenena ity toy ny fiaraha-miasa amin’ireo mpandraharaha hafa. « Vina ny diplomasia ara-toekarena ihany koa ny hampahafantatra ny vokatra avy eto an-toerana, ny fampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany indrindra ny fisintomana ny fampiasam-bola vahiny eto amintsika », hoy ny fanazavan’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rafaravavitafika Rasata, nandritra ny lahateniny. Etsy ankilany, mila mivonona amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro ny mpandraharaha malagasy hiarovany ny seha-pamokarany. Noho izany, manentana ny mpisehatra rehetra ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy, mba handray andraikitra amin’ny paikady nasionaly ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fiovaovan’ny toetr’andro.

Henintsoa H.

Partager sur: