Arakaraka ny maha akaiky ny datim-pifidianana, vao maika mangotraka ny kapakapa ranjo sy ny ankisompatra. Izay heverina fa matanjaka sy mamim-bahoaka ka mandresy ny kandidàn’ny fanjakana no lasibatra. Tsy misy ankitsitsy io fa izay sendra ny henjana dia iharan’ny antsojay. Misy kandidà izay kofona mihitsy amin’izao fotoana izao. Tsy mahita andro mihiratra mihitsy.
Manoloana izany anefa no tokony hijanonan’ny mpanohana mahafatra-po kely, handinihana izay paikady mahomby. Tsy misy mpisompatra mpandresy izany. Indrindra raha samy anatin’ny hazakazaka no hifamingana. Izay mahay milalao ny fon’ny mpandatsa-bato ihany no afaka hizahozaho. Tsy fotoan’ny fita-bitro intsony izao. Antsy maranitra roa lela ny fanakendana ny mpifanandrina any anaty lalao maloto. Tsy vitan’ny manangam-pahavalo eny ifotony fa manome kisary ratsy ny fitondrana izay tohanana.
Tsy kisendrasendra ireny fanambaran’ny fianakaviam-be iraisam-pirenena ireny fa mitady mangarahara. Ny tompon’ny vola tsy hijabaka moramora amin’ny teti-dratsy ataon’ireo tsy matoky tena.
Sanatrian’ny vava, indroa hahita ny maizina… Ilay filohan’ny Repoblika. Misy ireo efa namitaka azy nakana ny fahazoan-dalàna ho kandidà, na efa hita aza fa tsy tian’ny olona. Izao koa mbola hanao amboletra hisandoka ho lany amin’ny fampiasan-kery. Fomba mamohetra izay mety hanimba ny fiandrian’ilay fanjakana. Mila hialana malaky!
r.r