Tafiditra ao anatin’ny tetikasa “Miarova” iarahana amin’ny Banky iraisam-pirenena, hisitraka fitaovana arifomba sy manaraka ny fenitra ireo sampandraharaha mikirakira ny serasera ao amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Noraisin’ny minisitra, Andriamanantany Zely, izany ny alarobia teo mialoha ny hizarana azy amin’ireo fitaleavana manerana ny faritra 23.
Amperinasa manomboka izao ny toeram-pandidiana ao amin’ny hopitaly Betioky Atsimo. Tsy voatery mandeha alavitra intsony ireo olona tsy maintsy mila fandidiana maika any an-toerana. Efa vonona ny fitaovana sy ireo dokotera mpandidy. Misokatra ihany koa ny sampandraharaha mikarakara ny nify sy ny ativava.
Nanatanteraka fifampizarana mahakasika ny fitsipika sy ny didy aman-dalàna mifehy ny mpiasam-panjakana ho an’ny mpiasa ao amin’ny foibe famantarana ny toetry ny andro ny tomponandraikitra ao amin’ny minisiteran’ny Asam-panjakana sy ny asa ary ny lalàna sosialy. Nohazavaina nandritra izany ny fananana fanarahan-dalàna sy ny fitondran-tena mendrika amin’ny asam-panjakana.
Mpiadina miisa 529 000 manerana an’i Madagasikara no hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE, ny talata 18 jona. Hiparitaka amin’ny foibem-panadinana miisa 2 057 sy trano fianarana 14 925 izy ireo. Nahitana fiakarana 3% ny isan’ny mpiadina ho an’ity taom-pianarana 2023-2024 ity, araka ny fapitam-baovan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena