Niova tanteraka: Adalam-pandrosoana ny vehivavy malagasy

Vehivavy, Reny ! Ny Reny, mpanabe !… Nanatanteraka ny adidy sy ny andraikiny hatrany ny Reny hatramin’izay. Niova tsikelikely anefa izany taty aoriana. Fiovana niantraika tamin’ny taranany sy ny firenena manontolo !

Mijery tahirin-kevitra sy tahirin-tsary tany amin’ny taona 1958… Mahita ireo vehivavy malagasy, « mihaja », « manaja » ! Mihaja satria tsy mitsipaka ny kolontsaina sy ny soatoavina ary ny fahendrena navelan’ireo razany. Fitafiana maotina, tsy noentinkentim-poana fa samy manana ny antony itondrana azy. Manaja na manome haja ny tena manao azy sy ny hafa mahita ny tena. Vehivavy fahiny!
Reny, miantsoroka sy miadidy ny fanabeazana ny zanany ho tonga olom-banona. Reny, manolokolo ny menaky ny ainy hanana saina mahiratra, tia mikaroka sy mikatsaka fatratra ny fahendrena. Manaja ireo soatoaviny. Reny mahafantatra tsara ny zanany sady fantatry ny zanany tsara ihany koa, satria, tsy mba fotsy varavarana. Tompon’ny tokantrano. Vehivavy fahiny tokoa izany !

Ny vehivavy malagasy ankehitriny ?
Ny sasany, ny hiboridana eny an-dalambe sisa no tsy ataony. Fitafiana tsy mendrika sady tsy manaja ny fomba aman-tsoatoavin’ny razany. Ny hafa, tsy mahafantatra akory ny adidy aman’andraikitry ny atao hoe reny akory, kanefa, efa ho telo anaka. Saika tranga fahita sy mitady hahazo faka eny amin’ny fiarahamonina malagasy ireo.
Mahavariana ! Mbola misy sahy sy manizingizina fa « fandrosoana », hono, ny tahaka ireo. Ny vehivavy mitaiza sy manabe ny taranany nanjary mivoaka ny trano isan’andro, hany ka zary « ratsy taiza sy tsy mahalala fomba » ny taranaka malagasy. Potika ny soatoavina. Kisarintsarin-javatra sy ny endrika ivelany no betsaka. Manambana ny ho potika ny firenena, satria, adalam-pandrosoana ny vehivavy malagasy ankehitriny.

Vehivavy mpihatsaravelatsihy
…Ny lamina voajanahary narahin’ireo razana fahiny, ezahin’ny vehivavy malagasy sasany tsy omena hasina sy lanja intsony. Na izany aza, mbola sahy mitonona ho Malagasy ihany izy ireo satria mitafy lamba isaky ny manatrika « fety ». Manao tana ivoho rehefa hiseho vahoaka, sns. Na hankalazaina isan’andro aza ny « Andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy », ny « Fetin’ny Reny », azo antoka fa raha tsy miverina eny an-doharano, manaraka ny lamina voajanahary, tsy hahita vokatra tsara ho an’ny firenena velively, fa fihatsarambelatsihy no betsaka !

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: