SOMBIM-BAOVAO

Tonga any La Reunion, i Berajo, Malagasy vodilaharana amin’ny taranja baolina kitra. Milalao ao amin’ny klioban’ny St Denis FC ny tenany amin’izao fotoana izao, ary miaraka aminy ao i Tsito, Malagasy lohalaharana. Tsiahivina fa efa ho sivy volana izay i Berajo no nijanona teto Madagasikara ka izao lasa izao ihany.

Mandefa tolotrasa ny eo anivon’ny Federasiona Malagasin’ny Baolina kitra (FMF) amin’izao fotoana izao. Araka ny fikarohana natao omaly, teo amin’ny tambajotra tseraseran’izy ireo, misy toerana miisa fito afahan’ny rehetra mandefa fangatahana. Anisan’izany ny olona hanampy ny eo amin’ny resaka serasera.

Hotanterahina ny 1 hatramin’ny 9 jona ho avy izao, ao amin’ny Gymnase Soavita Toamasina, ny fifaninanam-pirenena N1A, lahy sy vavy, taranja basikety. Hifanintsana any an-toerana amin’io fotoana io, ny Ascut Atsinanana, Cospn Analamanga, BCB Boeny, Cosfa Analamanga, AS Fanalamanga ALMAN.

Norombahan’ny Atalanta Bergam Italie, ny amboara lehiben’ny “Europa League”, taranja baolina kitra rehefa nomontsanin’ny tamin’ny isa 3 no ho 0, ny ekipan’ny Bayer Leverkusen Allemagne, afakomaly. Ity no faharesena voalohany ho an’ny Bayer Lever­kusen tamin’ity taom-pilalaovana 2024 ity.

Partager sur: