Tratran’ny kendry tohina : mpangalatra omby maty voatifitry ny zandary

Dahalo raindahiny amin’ny halatra omby, lavon’ny balan’ ny mpitandro filaminana tao Amparihibe, kaominina Maro­tandrano, distrikan’i Mandri­tsara, afakomaly. Nahita omby iray tsy fanta-piaviana hitan’ny fokonolona tao amin’io tanàna io. Nifatotra soa aman-tsara anaty saha anefa io omby io. Nandrasan’ny mpitandro filaminana, araka izany, izay olona haka azy. Tsy nisy nanatona mihitsy ilay omby nandritra ny atoandro. Tampoka, olon-tsy fantatra tonga nitsaitsaika nikasa haka io omby io, ny alin’ ny alarobia 22 mey teo. Niko­ropaka nandositra anefa ilay lehilahy saika haka ny omby. Nampitandrina ity farany tsy hitsoaka ny zandary. Tetsy ankilany, nitora-bato sady nanao tongotra an-katoka nanohy ny diany io dahalo io. Vokany, lavon’ny bala nandritra ny fifandonana tao anaty haizina ilay olon-dratsy. Voa­marin’ny mpitandro filaminana fa tsy olona avy ao amin’ilay tanàna ity maty voatifitra ity. Naiditra am-balam-pamon­jana ilay omby. Mitohy ny fikarohana ireo izay mety ho namany.

Tsiferana R.

Partager sur: