Nomarihina omaly tetsy amin’ny HJRA ny andro iraisam-pirenena amin’ny fanasana tanana amin’ny savony. Fotoana hampahatsiavina ny rehetra ny maha zava-dehibe ny fanasana tanana izay fihetsika tsotra kanefa mahavonjy aina ary miaro amin’ny aretina maro.
Nambaran’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, fa azo sorohina amin’ny fanasana tanana avokoa ny 50%-n’ny aretina. Anisan’izany ny aretim-pivalanana sy ny aretina azo avy amin’ny karazana loto sy mikraoba. Na ho an’ny isan-tokantrano na eny amin’ny orinasa na any am-pianarana, eny fa any amin’ireo toerana ifaneraseran’ny daholobe dia tokony hazoto manasa tanana mba hampihena ny fiparitahan’ny karazan’aretina.
Tokony ho fahazaran’ny mpiasan’ny fahasalamana ihany koa ny manadio tanana mialoha ny hikarakarana marary. Saro-pady ny asa fitsaboana, indrindra amin’ny sehatry ny fahadiovana ka tokony hotandrovina tanteraka izany.
Natao indrindra hampahatsiahivana ireo mpiasan’ny fahasalamana amin’ny fahadiovana ny omaly, mba hanairana azy ireo ny fihetsika mahazatra dia ny fanasana tanana amin’ny savony.
Efa miezaka manaparitaka ny fitaovana hahafahan ‘ny mpiasan’ny fahasalamana rehetra manadio tanana ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka mba holavorary ny fahadiovana mialoha ny handraisana marary.
Nifarimbona tamin’ny hetsika fanentanana teny amin’ny tobim-pahasalamana ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka sy ny OMSary ny SMPC/ Wash. Voaporofo fa mahomby amin’ny fisorohana sy fifehezana ny fihanaky ny aretina azo avy amin’ny mikraoba na areti-mifindra ny fahadiovan’ny tanana.
Tatiana A