Fanabeazana ara-pananahana feno: «Tokony hifanaraka amin’ ny kolontsaina sy sosialy»

Tokony hatao mifanaraka amin’ny zava-misy ao anatin’ ny firenena iray amin’ny lafiny kolontsaina sy sosialy ny votoatin’ny fanabeazana ara-pananahana feno (éducation sexuelle complète). Io ny toromariky ny Tahirin’ny Firenena mikambana momba ny mponina (UNFPA), izay miara-mi­asa amin’ny firenena maro aty Afrika amin’ny fahasalamana ara-pananahana sy ny fanabeazana aizana, hoy ny nambaran’ny mpanolotsaim-paritry ny UNFPA miasa aty Afrika misahana ny fandaha­rana­san’ny fanabeazana aizana, Dr Chilanga Asmani. Noha­mafisiny fa volavolaina araka ny taona ny fahalalana hozaraina amin’ny ankizy sy ny tanora raha hiresaka fanabeazana ara-pananahana feno. Zava-dehibe ny fiaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny Fana­beazam-pirenena satria fanabeazana no hatao ary any an-dakilasy ny androtokon’ny fotoanan’ny mpianatra. Mila maneho hevitra koa ny ray aman-dreny momba io lohahevitra io satria ny zanany no iantefan’ny fanabeazana. Marolafy ny fanentanana ka samy tokony hijerena avokoa ireo araka ny fahitany azy.

Nandritra ny fivoriana am­pitain-davitra niarahana amin’ ireo mpanao gazety mpikambana amin’ny tambajotran’ny mpampahalala vaovao aty Afrika misehatra amin’ny fahasalamana sy ny tontolo iainana (Remapsen) no nizarany izany. Mpikambana ao anatin’ ny tambajotra i Madagasikara. Niompana tamin’ny fampiharana ny lalàna momba ny fananahana ara-pahasalamana sy ny fandrindram-piterahana SR/PF aty Afrika andrefana sy afovoany ny famelabelarana nandraisan’ny firenena aty Afrika anjara.

Vonjy

Partager sur: