« Festival des baleines » andiany fahafito : hisy ny takariva « Quizz » iarahana amin’i Julien Lepers

Mandalo eto indray i Julien Lepers. Midika izay fa efa akaiky ny « Festival des baleines », izay hiditra amin’ny andiany fahafito amin’ity.

Tsy mahafoy an’i Mada­ga­sikara ! Ray mpiahy ny « Festival des baleines » fanao any Sainte-Marie ilay mpanolotra fandaharana malaza maneran-tany, i Julien Lepers. Nanatrika ny andiany maromaro tamin’ity hetsika mampivondrona ny fizahantany, ny kolontsaina ary ny fanatanjahantena ity izy. Fantatra fa eto Antananarivo indray i Julien Lepers amin’izao fotoana izao, ary nihaona tamin’ireo mpanao gazety, omaly.
Nampahafantarina tamin’izany fa hisy ny takariva « Quizz », anio. Mandritra ny fiaraha-misakafo izay tafiditra anatin’ny fanomanana ny « Festival des baleines » izany, hatao etsy amin’ny Radisson Blu, Ambodivona. Hitarika ny fotoana toy ny tamin’ireny lalao « Questions pour un champion » ireny i Julien Lepers. Amin’io fotoana io ihany koa no hanambarana amin’ny fomba ofisialy ny fandaharam-potoanan’ny hetsika izay hatao any Sainte-Marie, ny 13 hatramin’ny 21 jolay ho avy izao. Ny mahakasika indrindra ny lafiny zavakanto sy kolontsaina ary ny fifaninanana ara-panatanjahantena ireo hampahafantarina ireo.
Anisan’ireo hetsika mahasarika mpizahatany vahiny be indrindra aty Madagasikara ny « Festival des baleines ». Efa maro ireo nisafidy ny Nosy Sainte-Marie rehefa fotoana fandalovan’ireo trozona, saingy nitombo isa izany vao nisy ny hetsika. Feno tanteraka ny fotoana mandritra ireo 9 andro ireo, satria hifandimby ny safari baleines, fampisehoana ankalamanjana sy anaty efitrano, fifaninanana hatsarambika, lalao nentim-paharazana, fanentanana mahakasika ny tontolo iainana, sns. Tsy hadino ilay « carnaval » efa lasa fanao mampiavaka ny hetsika, izay haka endrika fifaninanana ho an’ireo tompon-tany ihany koa izany. Anisan’ ny vaovao amin’ity andiany ity ny fisian’ny « village », izay toerana hivondronan’ny hetsika rehetra mandritra ny 9 andro. Eo avokoa no hitranga ny fanentanana sy fampisehoana, ny fifaninanana asa tanana : sokitra, peta-kofehy, sns. Eo ihany koa ireo tranoheva maro, ahitana ny haify, ny taozavatra, fitafiana, sns. Homena sehatra manokana ihany koa, amin’ity andiany fahafito ity, ny hainahandro malagasy. Hasongadina ireo sakafo vokatra eto Mada­gasikara mandritra izany.

Zo ny Aina

Partager sur: