Maty voatifitry ny zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-paritra Ambohidratrimo, ny 20 mey 2024 lasa teo ireo dahalo enina tompon’antoka tamina raharaha fakana an-keriny. Raha ny tatitra nampitain’ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritra Ambohidratrimo, voasambotry ny zandary ny dahalo raindahiny fantatra amin’ny anarana hoe Iaban’ny Lamina. Taorian’ny famotorana nataon’ ny zandary azy dia nanaiky izy fa hitondra sy hanoro ny toerana iafenan’ireo namany mpaka an-keriny. Nametrapetraka mialoha ny paikady rehetra hahafahana mifehy ny kizo misy ireo dahalo ny zandary. Kanjo nony alina, nisy andian-dahalo nanatona ny kizon’Andilana, fokontany Anjezika, kaominina ambanivohitr’i Mahavelona. Raikitra teo ny fifampitifirana satria tifitra variraraka avy hatrany no nasetrin’ireo dahalo. Nifamaliana ny tifitra tao anatin’ny faritra misy ny kizo. Vokany, dahalo enina indray maty voatifitry ny zandary. Basim-borona iray niaraka tamin’ny basy vita tanana no hitan’ny zandary nandritra ny fisavana ny manodidina ny toerana nisian’ny fifandonana. Balana basim-borona iray 7,62 mm no hita teo akaikin’ireo dahalo voatifitra. Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny zandary, natolotra ny fokonolona tao an-toerana ny fatin’ireo dahalo. Mitohy kosa ny fanarahan-dia ataon’ny zandary satria tafaporitsaka ny sasany tamin’ireo malaso.
J.C