Manana atleta afaka miaro ny voninahi-pirenena any Paris i Madagasikara. Miisa fito mianadahy izy ireo no fantatra fa hiatrika ny “lalao Olympika 2024”. Nahazo taratasy fanasana manokana ny efatra amin’izy ireo.
Maro ny fifaninanana iraisam-pirenena nandraisan’i Madagasikara anjara. Vokatr’izany, miisa fito ireo Malagasy atleta hiaro ny voninahitr’i Madagasikara, amin’ny “lalao Olympika 2024”, raha ny nambaran-dRandriamanarivo Harinelina, sekretera jeneralin’ny Komity olympika malagasy (COM), omaly, teny Ivandry. Ny efatra amin’izy ireo, nahazo fanasana manokana “Wild-Card”, izay roa ho an’ny taranja lomano ary ny ambiny ho an’ny atletisma. Nifanintsana tamin’ny fifaninanana iraisam-pirenena maro kosa ireo atleta telo ambiny vao nahazo ny tapakila hiatrehana ny “lalao Olympika 2024”. Anisan’izany Rakotoarimanana Fabio, lehilahy mpilalao Ping pong sy Rasoanaivo Laura, vehivavy mpikatroka Judo ary Randafiarison Rosina, vehivavy mpibata fonjamby.
Tsara ny mampahafantatra fa hatao any Paris, manomboka ny 26 jolay hatramin’ny 11 aogositra ho avy izao ity lalao lehibe ity.
Mbola mitady “minima” ry Sidonie
Mikatsaka ny hahazo ny “minima” ireo Malagasy efatra mianadahy amin’ny taranja atletisma amin’izao fotoana izao, araka ny fanazavana nataon-dRaherison Dominique, filohan’ny Federasiona malagasin’ny atletisma. Anisan’izany ry Sidonie Fiadanantsoa, Nomenjanahary Claudine, ho an’ny vehivavy ary ry Remandro Patrice sy Rija Gardiner, lehilahy. Misongadina i Sidonie Fiadanantsoa, izay manana tombony amin’ny hazakazaka 100 m, misy fefy. Nahavita 12’’78 segondra izy amin’izao izay efa manakaiky ny, 12’’77, lera takin’ny Komity olympika iraisam-pirenena hahafahana miatrika ny “lalao Olympika 2024”. Raha tsy misy mahazo “minima” ireo Malagasy atleta, izay vao misitraka ny “Wild-Card” miisa roa, ka iray ho an’ny lehilahy ary ny iray ho an’ny vehivavy.
Fitia Randria