Mila mazava

Hazakazaka arahin-tosika ny an’ny filohan’ny Repoblika sy ny ekipan’ny minisiteran’ny Angovo amin’ny fizarana jiro. Fanatanterahana ny fampilezan-kevitra natao tamin’ny novambra ny fanomezana ilay « Ha­zavana ho an’ny rehetra ». Manerana an’i Madagasikara ny fidinana ifotony ataon’ny fitondrana. Samy mahazo izany na ny an-tanàn-dehibe na ny any ambanivolo na ny aty an-drenivohitra na any amin’ny faritany.
Zava-dehibe ny hazavana, eny fa na tsy mahavaha ny olan’ny angovo aza izany. Manala fahasahiranan’ny vahoaka madinika, izay mahita faisana amin’ny vidin’ny labozia sy ny solitany. Velombelo sy miramirana izay mahazo ny anjarany. Indrindra amin’ny toerana tsy nahita « mazava », hany ka nanjakan’ny tsy fandriampahalemana, andaniny. Tsy afaka mihary araka ny tokony ho izy, tsy maintsy mihidy an-trano vao maty masoandro.
Mbola miaina anaty aizana ny Malagasy amin’izao fotoana izao, na amin’ny heviny mivantana io na ankolaka. Zary mainty avokoa izay jerena sy iainan’ny mponina. Manjaka tanteraka ny fifamotehana amin’ny endriny sa­mihafa. Mitady hirika ifampitsentsefana izay afaka manao izany. Ny tena zava-doza, ny samy madinika ihany no mifampihinana. Tsy misy fihantrana sy fifampitsinjovana intsony.
Manahirana na ny miresaka ny zava-misy ankehitriny aza. Sanatrian’ny vava mifamendrofendro fotsiny. Ny va­haolana rahateo tsy misy, azo raisina avy hatrany. Tsy misy intsony ny fifanohanana, indrindra fa zavatra tsara. Any amin’ny maloto sy ny fahalovana vao mifandrimbona ny Malagasy. Asa re ! Mety hoe any no miala vokony, manala sorisory sy mamaly bontana ny tsy fahafahana manoatra.
Sarotra ny toe-javamisy ! Kanefa, tsy afa-miaraka ny maizina sy ny mazava saingy tsy maintsy tsilovina tsikelikely ny aloka mainty mba hisinda !

r.r

Partager sur: