Notanana am-ponja vonjimaika eny Antanimora ny miaramila valo lahy, afakomaly. Notorian’olona noho ny fanaovana herisetra, tetsy Ampahibe izy ireo.
Nidaroka sady nandratra olona, miaramila miisa valo nosamborina ka notanana vonjimaika eny am-ponja, ny 23 mey teo. Ny alin’ny 19 mey, nikotaba teo ivelan’ny tranon’ny olon-tsotra iray teny Ampahibe ireo miaramila, manodidina ny tamin’ny 8 ora alina. Niteraka tsy fifankazahoana izany. Nanamparan’ireo miaramila ireo daroka sy vono anefa ilay tompon-trano. Niaro tena, tsy nahatohitra ireo miaramila maro an’isa ity farany. Samy nikasi-tanana azy avokoa ireo valo lahy, araka ny loharanom-baovao. Naratra mafy vokatry ny vono niniana natao azy io lehilahy io. Nitsoaka ireo nahavanon-doza taorian’izay.
Nandrahona ho faty
Nitory ireo miaramila noho ny herisetra sy ny fanamparam-pahefahana nianjady taminy ilay lasibatry ny vono. Fantany avokoa ireo nahavanon-doza ka nanamora ny fahatrarana azy ireo. Olona efatra no voalaza fa tompon’antoka. Ankoatra ireo, miaramila efa-dahy namany voasaringotra. Nandray anjara mivantana tamin’ny fikasihan-tanana sy ny fandrahonana ho faty natao tamin’ilay raim-pianakaviana. Notanana natao famotorana ireo miaramila valo lahy ka nalefa eny Antanimora taorian’ny fampanoavana teny anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany eny Anosy.
Tsiferana R.