Tontosaina eny amin’ny AFT Andavamamba, ny famaranana ny « Slam National Scolaire » (SNS), andiany faharoa. Fifaninanana natao ho an’ny mpianatra eny anivon’ny sekolim-panjakana, ambaratonga faharoa. Hifaninana amin’izay ireo tafiakatra amin’ny dingana famaranana, taorian’ny fifanitsanana. Ankoatra ny fampiroboroboana ny “Slam poèsie”. Tanjona amin’ny hetsika ny hitrandrahana ireo taniketsan’ity taranja ity sy hikolokoloina azy ireo.
Vita omaly, teny amin’ny IFM Analakely, ny fifanitsanana iakarana amin’ny dingan’ny famaranana amin’ity SNS andiany faharoa ity. Raha tsiahivina, nizara sokajy roa ny fifaninanana. Ho an’ny isan-tanàna ary ho an’ny isan’olona. Ho an’ny isan-tanàna, ny tanànan’i Toamasina, Mahajanga, Sambava ary Fianarantsoa no hiatrika ny famaranana. Ho an’ny isan’olona kosa miisa valo mianadahy izy ireo.
Tsikaritra ho tena avo lenta ny fifaninanana na dia mbola ankizy aza no mifaninana ao anatin’izany. Tafiditra hatrany amin’ny 99,5 amin’ny 100 mantsy ny naotin’ny laharana voalohany eo amin’ny fifaninanana isan’olona.
Lin