SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina ny faran’ny herinandro aho avy izao ny lalao ampahefa-dalana miverina amin’ny fifaninanam-pirenena, «Coca Cola Pureplay Football League», taranja baolina kitra. Anisan’ny fihaonana tena andra­san’ny maro ny fifanandrinan’ny Fosa Juniors Boeny sy ny Elgeco Plus de Madagascar. Mbola manala vela ny Fosa.
Hotontosaina rahampitso ny fifaninanana nasionaly, taranja hazakazaka lavitra ezaka «semi-marathon», 21 km. Marihina fa natokana ho an’ireo mpilalao manana kara-pilalaovana ity fifanintsanana ity. Ny hazakazaka 5 km kosa, natao ho an’ireo olona maniry ny handray anjara nefa tsy manana kara-pilalaovana.
Araka ny vaovao voaray teo anivon’ny Federasiona Malagasin’ny Baolina kitra (FMF), hanainga ny 28 mey ho avy izao eto an-tanindrazana ho any Afrika Atsimo ny Barea de Madagasikara. Ny 29 mey ho avy io, hanomboka ny fampivondronana any izy ireo, hamonjy any an-toerana amin’io fotoana io ireo mpila ravinahitra.
Hiverina amin’ny 2 jona ho avy izao ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara taranja Rugby, diviziona voalohany, XXL Top 12, araka ny vaovao voaray teo amin’ny Malagasy Rugby. Hanainga ny 25 jona, eto an-tanindrazana, hihazo ny Nosy rahavavy Maorisy kosa ireo Makis seven lehilahy, hiatrika ny fifanintsanana afrikanina “Rugby seven”.

Partager sur: