Tsilazaina : ramatoa naratra nove­lesim-badiny angady

Torana tsy nahatsiaro tena ny renim-pianakaviana iray manan-janaka roa novelesim-badiny tamin’ny angady tao amin’ny fokontany Tsilazaina, kaominina Ambohijanaka, afakomaly. Voalaza fa hasarotam-piaro no nahatonga ity raim-pianakaviana ity nahavita fihetsika mamoafady tamim-badiny. Efa ela no nisy disadisa ny tokantranon’izy mivady noho ny hasarotam-piaro diso tafahoatra ataon’io vadiny io, araka ny fanazavan’ireo mpifanolobodirindrina aminy. Miaritra ny vono sy herisetra hatrany ramatoa vadiny satria lazainy fa hoe misy lehilahy misakaiza amin’io vadiny io. Mamboly sy miompy no asan’izy mivady ka sedra nikarakara fambolena teny an-tanimbary izy no narahin’ilay vadiny, somary efa mamomamo tamin’io fotoana io. Nitohy ny fifamaliana teo amin’izy mivady ka novelesim-badiny ny angady teny an-tanany ilay renim-pianakaviana. Naratra teo amin’ny lohany ity renim-pianakaviana niharam-boina ity. Tsy vitan’izay fa torana tsy nahatsiaro tena izy. Lasa nitsoaka kosa ilay raim-pianakaviana nanao herisetra tamim-badiny. Ireo olona teo an-tanana kosa no nitondra azy namonjy toeram-pitsaboana. Avotra soa aman-tsara izy na teo aza ny ratra nahazo azy.

J.C

Partager sur: