67 ha : mpanendaka iray lavon’ny polisin’ny Sag

Toy ireny amin’ny horonan-tsarimihetsika ireny ! Nirefotra indray ny poa-basy teny 67 ha, ny zoma alina teo. Jiolahy iray avy nanendaka niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana toy ny sabatra sy antsibe no maty rotiky ny balan’ny polisin’ny Sag teny 67 ha akaikin’ny fiangonana Jesosy Ma­monjy. Avy nanendaka lehilahy iray tamin’iny lalana iny ny andian-jiolahy. Nahazo antso ny polisin’ny Sag fotoana fohy taorian’izay ka nidina haingana teny an-toerana. Fantatra nandritra izany fa jiolahy enina no tompon’antoka tamin’ity fanendahana ity. Nifanehatra tamin’ireo jiolahy ny polisy ka raikitra teo ny fifanenjehana hatrany anaty elekela-trano. Vokany, maty voatifitra tao anelakela-trano amin’ny IVO Antohomadinika ny jiolahy iray. Namoaka basy nitifitra ny iray tamin’ireo jiolahy ka antony nahatonga ny fifanjevoana. Voa mafy ny iray tamin’ireo olon-dratsy ka tsy avotra intsony ny ainy teny an-dalana hamonjy toeram-pitsaboana. Tafaporitsaka kosa ireo namany. Nirohoroho tanteraka ny mponina teny 67ha nandritra ny fifanjevoana teo amin’ny polisy sy ireo jiolahy.
Ankoatra izay, jiolahy iray fantatra amin’ny anarana hoe Romain hafa koa lavon’ny polisin’ny UIR tao Bekomon­dro fokontany Tsongobory Toliara, afakomaly alina. Nam­pitairana ny mponina ao amin’ ny fokontany. Teo am-pioman­komanana hanao fanafihana izy no nisy nahatsikaritra ka tonga haingana ny polisy. Nifampitifitra tamin’ny polisy izy ka izao maty tsy tra-drano izao.

J.C

Partager sur: