Ny fanaratsiana ny hafa ve no hahatsara ny tena? Na ny faminganana ny mpifaninana amin’ny tena no hahatanterahana ny fihazakazahana… Izany no afitsoky ny kandidà sasany amin’ny fampielezan-kevitra, amin’izao fifidianana depiote izao? Misy aza ny tena ratsy fo, difotry ny fanaratsiana sy ny fanenjehana ny hafa fotsiny. Ahoana no ahazoana mihazakazaka haingana amim-pilaminana sady mikapa ranjo ny hafa ho lavo? Azo antoka tsy ho lasa lavitra ny toy izany. Na tsy mahatratra ny hafainganam-pandeha andrasana aminy, na izay takina aminy eny am-pahatongavana raha ho tonga ihany.
Inona, ohatra, ny tolo-dalàna haroson’ny kandidà raha voafidy? Na vinam-pampandrosoana handreseny lahatra ny governemanta, na feon’ny vahoaka hoentiny… Izany no andrasana amin’ireo kandidà amin’ny fampielezan-kevitra; eny, na ny fanazavana izay tena asa aman’andraikitry ny depiote aza. Mba tsy hisy fifamitahana amin’ny fampanantenana hanao fotodrafitrasa, hampanjaka fandriampahalemana, hampidina vidim-piainana… Aiza ny lalana hahatongavana amin’izany ary ahoana ny fomba hahatanterahana azy? Mila fanazavana fa tsy vitan’ny tampi-maso amin’ny fizarana vola na zavatra.
Eo ny vahoaka handinika, hampitaha, hisafidy. Iza no milaza inona? Na tsy manao afa-tsy fanaratsiana, fihantsiana… Rehefa tsy ho voafidy amin’izany fomba izany, lazaina avokoa izao atsanga tsy amin’ny orana rehetra izao: misy hosoka sy hala-bato ny fifidianana, fitsarana be kibo na hoe miangatra… Don-tandroka politika mahazatra? Mila mandini-tena hahalalany ny hafa na mandinika ny hafa hahalalany tenany. Tsy voatery hanaratsy ny hafa ny tena mba ho tsara, na midika ho fanaratsiana ny hafa ny fanatsarana tena. Aleo ny olom-pirenena hanavaka ny tsara sy ny ratsy, fa izay no hoe mifidy.
R. Nd.