Amphithéâtre Fofifa : havaozina handraisana ny fihaonambe iraisam-pirenena siantifika

Manamarika ny jobily faha-50 taonany ny Fofifa. Ezaka fanavaozana ny efitrano malalaka fandraisana karazana hetsika no hanamarihina izany.

Hasiam-panavaozana goavana ny Amphi­théâtre ao amin’ny foibem-pirenena momba ny fikarohana hampiharina amin’ny fampandrosoana ny eny am­banivohitra (Fofifa). Izay no tsangambaton’ny fankalazana ny faha-50 taona niorenany. Efa tamin’ny taona 1994 no natsangana ny Amphithéâtre ary hita fa efa antitra sy mitaky fanamboarana. Tanjona ny hahafahana mandray hetsika maro, toy ny fampiofanana, fivoriana ary hetsika siantifika. Ho afaka handray olona mihoatra ny 150 ny fotodrafitrasa aorian’ny fanavaozana. Hahaleo tena amin’ny lafiny angovo koa satria hampiasana angovo azo havaozina, hahafahana manatanteraka fivoriana ampitain-davitra ary hampiasana fitaovana mifanaraka amin’ny teknolojia ankehitriny.
Nanao hetsika fitadiavam-bola, araka izany, ny fianakaviamben’ny mpiasa mampihodina ny ivontoerana. Nitondra ny anjara birikiny ny fanjakana, amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Rano ny fanadiovana sy ny fidiovana, izay hanavao sy hanamboatra ny fotodrafitrasa momba ny rano, fanadiovana sy ny fidiovana ao an-toerana.
Ny minisiteran’ny Fampia­narana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa miaraka amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana dia hanokana sorabola ho amin’ny fanavaozana ny efitrano malalaka. Kendrena ny hahafahana mandray ny fihaonambe iraisam-pirenena siantifika ny efitrano,izay hotanterahina amin’ ny volana oktobra ho avy izao.
Anisan’ny tranainy indrindra amin’ireo ivontoeram-pikarohana eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny Fofifa. Manao fikarohana mipaka mivantana amin’ny tontolo ambanivohitra sy mikatsaka ny fahavitan-tena ara-tsakafo ny ivontoerana.

Tatiana A

Partager sur: